| ← 2Samuel (13/24) → | 
| 1. | Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida. | 
| 2. | Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy. | 
| 3. | Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra. | 
| 4. | Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho. | 
| 5. | Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany. | 
| 6. | Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany. | 
| 7. | Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy. | 
| 8. | Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo. | 
| 9. | Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra. | 
| 10. | Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny. | 
| 11. | Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko. | 
| 12. | Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao. | 
| 13. | Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy. | 
| 14. | Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy. | 
| 15. | Ary dia halan'i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana. | 
| 16. | Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy. | 
| 17. | Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy. | 
| 18. | Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy. | 
| 19. | Ary nasian'i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana. | 
| 20. | Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory. | 
| 21. | Fa nony ren'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany. | 
| 22. | Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny. | 
| 23. | Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an'i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra izy. | 
| 24. | Ary nankao amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao. | 
| 25. | Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany. | 
| 26. | Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao? | 
| 27. | Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy. | 
| 28. | Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo. | 
| 29. | Ary ny zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra. | 
| 30. | Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin'i Davida ny filazana hoe: novonoin'i Absaloma avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza. | 
| 31. | Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany. | 
| 32. | Ary Jonadaba, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i Tamara anabaviny. | 
| 33. | Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty. | 
| 34. | Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra. | 
| 35. | Ary hoy Jonadaba tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny nolazain'ny mpanomponao tokoa. | 
| 36. | Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa. | 
| 37. | Fa Absaloma nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida. | 
| 38. | Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona. | 
| 39. | Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy. | 
| ← 2Samuel (13/24) → |