| ← 2Corinthians (4/13) → |
| 1. | Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka. |
| 2. | Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra. |
| 3. | Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany, |
| 4. | izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra. |
| 5. | Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy. |
| 6. | Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy. |
| 7. | Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay. |
| 8. | Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; |
| 9. | enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; |
| 10. | mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. |
| 11. | Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy. |
| 12. | Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. |
| 13. | Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny; |
| 14. | fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo. |
| 15. | Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro. |
| 16. | Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny. |
| 17. | Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, |
| 18. | raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. |
| ← 2Corinthians (4/13) → |