1Timothy (3/6)  

1. Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
2. Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
3. tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
4. manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara
5. (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan'Andriamanitra?),
6. tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly.
7. Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
8. Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
9. mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.
10. Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
11. Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra.
12. Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
13. Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana be amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
14. Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatį»³ aminao faingana aza aho;
15. fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana.
16. Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra.

  1Timothy (3/6)