| ← 1Timothy (2/6) → |
| 1. | Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, |
| 2. | ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. |
| 3. | Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, |
| 4. | Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. |
| 5. | Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, |
| 6. | sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. |
| 7. | Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana. |
| 8. | Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana. |
| 9. | Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, |
| 10. | fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra. |
| 11. | Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara. |
| 12. | Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany. |
| 13. | Fa Adama no natao voalohany, vao Eva. |
| 14. | Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota. |
| 15. | Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena. |
| ← 1Timothy (2/6) → |