| ← 1Thessalonians (5/5) |
| 1. | Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, |
| 2. | satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. |
| 3. | Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. |
| 4. | Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. |
| 5. | Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika. |
| 6. | Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. |
| 7. | Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina. |
| 8. | Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. |
| 9. | Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, |
| 10. | Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. |
| 11. | Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany. |
| 12. | Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo, |
| 13. | ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara. |
| 14. | Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra. |
| 15. | Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra. |
| 16. | Mifalia mandrakariva. |
| 17. | Mivavaha, ka aza mitsahatra. |
| 18. | Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. |
| 19. | Aza mamono ny Fanahy. |
| 20. | Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. |
| 21. | Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. |
| 22. | Fadio ny fanao ratsy rehetra. |
| 23. | Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. |
| 24. | Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. |
| 25. | Ry rahalahy, mivavaha ho anay. |
| 26. | Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina. |
| 27. | Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity. |
| 28. | Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. |
| ← 1Thessalonians (5/5) |