1Kings (10/22)  

1. Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin'ny fanontaniana sarotra,
2. ka tonga tany Jerosalema izy mbamin'ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao ampony.
3. Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.
4. Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony
5. sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
6. Ka hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
7. kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
8. Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao
9. Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
10. Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba ho an'i Solomona mpanjaka.
11. Ary ny sambon'i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira.
12. Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka arofanina tamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
13. Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen'i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
14. Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
15. afa-tsy izay azony tamin'ny mpandranto.sy ny tamin'ny varotry ny mpivarotra ary tamin'ny mpanjakan'ny firenena samy hafa rehetra sy tamin'ny mpanapaka ny tany.
16. Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
17. Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.
18. Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.
19. Nisy ambaratonga enina tamin'ny seza fiandrianana; ary ny lohan'ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin'ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana.
20. Ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.
21. Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
22. Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
23. Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
24. Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
25. Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
26. Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
27. Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
28. Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
29. Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.

  1Kings (10/22)