← 1Corinthians (2/16) → |
1. | Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra. |
2. | Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana; |
3. | ary izaho, raha tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be; |
4. | ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery, |
5. | mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany. |
6. | Anefa milaza fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; |
7. | fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao; |
8. | ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. |
9. | Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3), |
10. | dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. |
11. | Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. |
12. | Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. |
13. | Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona izahay. |
14. | Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. |
15. | Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. |
16. | Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. |
← 1Corinthians (2/16) → |